Federasionan'ny Marenina eto Madagasikara (FMM)

Rapport fra FMMs generalsekretær Dimby 22. september 2005

DAY OF THE DEAF.

MBS TV (Ravalomanana Marc) will visit at Office FMM talk about DAY OF THE DEAF, in afternoon. I hear from by phone.

FMM written DAY OF THE DEAF to send in Journal (MIDI,TARATRA,..). Price a journal 40 000 Ariary. Expensive it. We thinks to give put in Jornal. Wait question it.

FMSA (Association of Deaf in Antananarivo) do festival theatre, market,..in Akama, in Sunday 25 Sept 2005.

I see on internet NDF (Day of the Deaf) but I known't speak in Norge.

You see on attachement about Day of the Deaf put in Journal Taratra OK (not price), Gazetiko (wait),..


Gjengir her teksten i gassisk (slik ser språket ut!):

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY MARENINA
25 SEPTAMBRA 2005.

Ny Fankalazana ny Andron’ny Marenina Eran-tany dia isaky ny Alahady farany amin’ny volana Septambra.

Tamin’ny ny taona 1958 no nanomboka nankalaza izany ny Federasionan’ny Marenina Eran-tany (World Federation of the Deaf WFD) izay manana ny foibeny ao Finland ka tao HELSINKI renivohitra no nisantarana ny fihetsiketsehana rehetra nandritra ny herinandro mialoha ny Alahady.

Arakan y fanadihadiana nataon’ny WFD dia miisa eo amin’ny 70 000 000 eo ho eo ny Marenina eran-tany ka ny 20%n’ io ihany no miditra an-tsekoly.

Raha ny eto amintsika indray dia ao Ambodihady Ambohimanarina no Foiben’ny arenina eto Madagasikara izay itambaran’ny Fikambanan’ny Marenina rehetra manerana ny Nosy. Ny isan’ny Marenina eto Madagasikara di a170 000 eo ho eo araka ny fanadihadiana niarahana tamin’ny OMS. Ny isan’ny Marenina efa nandalo sekoly hatramin’ny taona 195- ka hatramin’izao dia 1 500 (0,9%). Mbola vitsy dia vitsy ny isan’ny Sekoly ho an’ny Marenina : Antananarivo, Antsirabe, Toamasina, Morondava, Fianarantsoa.

Noho izany, Ny Federasionan’ny Marenina eto Madagasikara dia manainga antsika rehetra, na ONG, na Fiangonana,, fa indrindra ny Fanjakana mba hanao ezaka amin’ny fanabeazana ny ankizy Marenina hitoviany Zo amin’ny ankizy rehetra.

Manaraka izany, ny Federasionan’ny Marenina eto Madagasikara dia mitaraina amin’ny Fanjakana mba hanome fotoana kely handefasana vaovao amin’ny Tenin’ny Tanana ao amin’ny fhaita lavitra hahafahan’ny Marenina eran’ny Madagasikara manaraka ny fizotry ny raharam-pirenena.